Tafiditra anatin’ny ezaky ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ny famahana ny olan’ny mpianatra. Ezahina tsy ho tara intsony ny famoahana ny vatsim-pianarana.
Ambetin-tenin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Razafiarison Andriamanantena, ny tsy hisian’ny fahataran’ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite rehetra manerana ny Nosy.
Nolazainy izany nandritra ny fihaonany tamin’ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra sy ny solontenan’ny mpianatra ny faran’ny herinandro teo. Hikatsaka vahaolana matotra hamaliana ny hetahetan’ny mpianatra mba hiantohana ny filaminana ny minisitra ka anisan’izany ny vatsim-pianarana ara-potoana.
Anisan’ny miteraka fikorontanana lavareny eny amin’ny oniversite ny fahataran’ny vatsim-pianarana mila ho isan-taona. Fitokonan’ny mpianatra matetika no nanaitra ny tomponandraikitra vao mivaha ny olana.
Nohamafisin’ny minisitra ny teniny tany Antsiranana nandritra ny fihaonany tamin’ ireo mpampianatra sy ny tomponandraikitra misahana ny vatsim-pianarana ny faran’ny herinandro teo ihany.
Lesoka tsy tokony hiverina intsony
Ezaka akaiky indrindra koa ny hampilamina ny fanadinam-panjakana bakalorea. Tsy tokony hisy intsony ny lesoka nampikorontana toy ny tamin’ny taon-dasa, nivoahan’ ny laza adina mialoha. Hirindra ny fanadinana manomboka amin’ny famolavolana ny laza adina hatrany amin’ny fihibohan’ireo nandrafitra ny laza adina, mandritra ny fanadinana mihitsy hatramin’ny fivoahan’ny vokatra amin’ny fomba ofisialy.
Tetsy andaniny, niara-nitady vahaolana mba hamadihana ny voka-pikarohana ho lasa fampandrosoana ireo mpampianatra tao Antsiranana sy ny minisitra. Tokony hampitomboina ny tetibola ho amin’izany fikarohana izany. Kendrena hifanaraka amin’ny politikan’ny fitondram-panjakana izay mametraka ny fikarohana ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana.
Tatiana A