Toetr’andro : mitondra orambe ilay andro ratsy

Mivoatra tsikelikely ao atsinanan’ny faritra Sava ilay faritra andro ratsy any avaratry ny Nosy. Omaly, tany amin’ny 200 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Vohémar no nisy ny foibeny.
Mikisaka mianandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 25km isan’ora. Manodidina ny 45km/ora hatramin’ny 65/ora ny rivotra entiny ary mitondra orana betsaka. Tombanana hiditra an-tanety ao Vohémar anio alina ity faritra andro ratsy ity ary amin’ny tanjany “dépression tropicale”.
Efa mamely any amin’ny tapany avaratra sy afovoany atsinanana kosa ny rahom-baratra miaraka aminy hatry ny omaly.
Ho betsaka ny rotsakorana any avaratra sy avaratra atsinanana, afovoany atsinanana ary ava­ratra andrefana. Heverina ny hisian’ny tondradrano amin’ny toerana sasantsasany.
Mihatra ny fampitandremana mi­loko mavo, loza manambana ho an’ny faritra Diana sy Sava. Filazana miloko mena mo­mba ny alondrano kosa eo anela­nelan’ny Tanjona Bobaomby hatrany amin’ny Tanjona Angotsy.

Tatiana A

Partager sur: