Ao anatin’izao fotoanan’ny karemy izao, miatrika ny herinandrom-bokatra ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF), ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Manomboka amin’ity alatsinainy ity izany, ka hetsika maro toy ny fanabeazana, dinidinika, fitorian-teny an-kira sy fanatanjahantena no hanamarihana izany. Lohahevitra mikasika ny fananahana, ny hisantaran’izy ireo ity andro voalohany ity. Rahampitso talata, hiresahana ny amin’ny saina salama anaty vatana tomady, hoentin-dRalison Ni Rado. Ny alarobia, fitaizam-batana amin’ny alalan’ny Zumba. Ny alakamisy, antsam-piderana ao anatin’ny hira FFPM, ataon’ny RFF arahin’ny kaonferansy mahakasika ny «rariny ara-tsosialy vakina ao amin’ny fanoharan’i Jesoa», voaboasan’ny mpitandrina, Andriantsilavina Nofy. Hiavaka ny andron’ny zoma satria fotoam-pivavahana amin’ny teny anglisy, ka hitory ny tenin’Andriamanitra amin’izany ny mpitandrina, Andriantsilavina Nofy. Ny sabotsy, hamaranana ny herinandrom-bokatry ny RFF ny fanatanjahantena sy ny dian-tongotra mijery ireo toerana manan-tantara sy ny zavaboahary, arahin’ny fambolen-kazo, hatao eny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga Rova.
«Mifalia ry zatovo, dieny mbola tanora ianao», nalaina tao amin’ny Mpitoriteny toko faha-11 andininy faha-9. Io ny teny nosafidian’ny RFF entina amin’izao herinandrom-bokatra izao.
Tatiana