Efa nivoaka any an-dranomasina : mbola hitondra rotsakorana betsaka ilay andro ratsy

Mbola hitohy ny rotsakorana na efa nivoaka an-dranomasina aza ilay andro ratsy. Ho an’ny afovoantany, hanjom­bona ny andro ary mety hisy orana malefaka indraindray.

Nivoaka an-dranomasina teo amin’ny manodidina ny distrikan’i Ambanja, omaly, ny ivon’ ilay faritra andro ratsy. Manohy ny diany miakandrefana somary atsimo andrefana izy. Araka ny vina­vina, hanaraka ny morontsi­raka andrefana, omaly, hitohy anio ary mety hanakaiky ny morontsiraky ny faritra Melaky. Tany amin’ny 200 km avaratra andrefan’Analalava no nisy ny foiben’ilay “pérturbation tropicale”. Nikisaka niakandrefana izy ka mahafaka 20 km isan’ ora. 45 km isan’ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 65 km isan’ora any an-dranomasina.
Hiitatra any amin’ny faritra avaratra andrefana ny rotsakorana aterak’ity faritra andro ratsy ity ato anatin’ny roa andro manaraka. Ahina, noho izany, ny mety fiakaran’ny renirano, ny fiandronan’ny rano, ny fiho­tsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo faritra mora ton­draka sy marefo. Entanina ny mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra andrefana, avaratra atsina­nana ary afovoany atsinanana tsy hiandriaka mandra-pahalasan’ny loza tanteraka.
Mety mbola hanantombo ny rotsakorana any amin’ny ilany afovoany atsinanan’ny Nosy sy avaratra andrefana. Mety hahatratra 40 hatramin’ ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora ny tahan’ny rotsakorana, amin’ireo toerana ireo. Misy fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsakorana, nanomboka omaly, ho an’ Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany, Sofia, Betsiboka, Boeny ary hitohy anio ho an’i Melaky. Ahina ny hikoronta­nan’ny asa aman-draharaha andavanandro, ny hiandronan’ ny rano amin’ireo toerana mora tondraka, ny hiakaran’ny renirano, ny ihotsahan’ny tany sy ny lalana.
Niditra an-tanety tao avaratr’i Vohemar, ny alahady alina teo, raha tsiahivina, ny foiben’ilay andro ratsy.

Vonjy A.

Partager sur: