Andron’ny vehivavy : efa vonona amin’ny fandraisana i Toamasina

Hankalazaina ny 8 marsa ho avy izao, any Toamasina, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy raha ny eto Madagasikara. Efa vonona tanteraka ny any an-toerana, amin’izao fotoana izao, handray sy hampiantrano izany. “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso” ny lohahevitry ny hetsika. Man­dritra ny herinandro ny lamim-pankalazana izany.
Efa maro ny hetsika nataon’ ny fikambanam-behivavy any an-toerana alohan’ny ivon’ny fankalazana. Nosantarin’ny vehivavy vadina polisy sy ny polisy vehivavy tamin’ny fambolen-kazo izany, ny voalohan’ ny volana marsa teo. Nitsidika sy namangy ireo vehivavy voafonja ao amin’ny fonjaben’ Ambalatavoahangy izy ireo, ny 2 marsa. Nisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena isan-karazany tao amin’ny kianja CRJS, ny 3 marsa. Efa mandray ireo vahiny rehetra hanatrika ny fankalazana kosa, anio sy rahampitso. Hosoka­fana amin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izany, ny alarobia 6 marsa. Mitohy amin’ny valandresaka arahina adihevitra sy varotra fampirantiana iraisan’ny faritra 24 avy eo. Manampy izany ny fam­bolen-kazo ao ambadiky ny Hopitalibe, ny 7 marsa.
Hanainga eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, ao an-toe­rana, ireo fikambanam-behivavy rehetra ny 8 marsa. Hisy ny matso lehibe eo amin’ny Araben’ny fahaleovantena. Eo ihany koa ny takarivan’ny faritra Atsinanana, handraisana ireo vondrom-behivavy ao “MIAMI”.

Sajo

Partager sur: