Zokiolona : arahina ny tetiandro fizarana fisotroan-dronono

Nivoaka ny tetiandro fizarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona ho an’ny volana marsa. Mana­raka ha­trany ny fitsinjaran’ny laharana ny fandraisana izany hisian’ny lamina.
Hanomboka rahampitso 8 marsa ny fizarana eto amin’ ny faritra Analamanga ho an’ ny eny anivon’ireo perceptions principales (PP), trésorerie principale (TP), Trésorerie Principale Inter-communale (TPIC). Anjaran’ireo manana laharana miafara amin’ny 0- 1- 2 no mandray izany ny zoma izao. Miato izany ny faran’ny herinandro ary miverina kosa manomboka ny ala­tsinainy 11 marsa ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 3-4-5. Anjaran’ireo manana laharana miafara amin’ny 6-7-8-9 indray ny talata 12 marsa. Ny alarobia 13 marsa hamaranana ny fizarana ka izay miafara amin’ny A-B-C-D-E no maka izany.
Manomboka ny alakamisy 14 marsa kosa no raisin’ ireo izay mitondra “procuration” sy ireo taraiky ny anjarany.
Ho an’ny eny amin’ny Paie­rie Générale d’Antananarivo (PGA) sy ny Recette Générale d’Antananarivo (RGA), eny Antaninarenina kosa ny mia­fara amin’ny 0- 1- 2- 3- 4 no mandray izany ny zoma 08 marsa. Ny miafara amin’ny 5- 6- 7- 8- 9 ny alatsinainy 11 marsa ary ny miafara amin’ny A- B- C- D-E ny talata 12 marsa.
Manomboka ny alarobia 13 marsa kosa no mandray ireo izay mitondra “procuration” sy ireo taraiky izy ireo.
Tsy miova ny fitsinjaran’ny laharana ho an’ny mpandray fisotroan-dronono any amin’ny faritra hafa fa ny daty fanombohan’ny fizarana no mety ho hafa.

Tatiana A

Partager sur: