« Arahabaina ny andriambavilanitra… tratry ny asaramanitra!? ». Toy ny firenen-drehetra maneran-tany, mankalaza ny andron’ny 8 marsa, hoenti-manamarika ny ady natao higohan’ny vehivavy ny zo fototra tokony hananany i Madagasikara. Maro ny hetsika enti-manamarika izany manerana ny Nosy. Hetsika mampiseho fa mahavita azy ny vehivavy, mendrika ny homen-kasina, tsy ho ambakan’ny lehilahy.
Andro manan-tantara, hoenti-mampahatsiahy fa misy zo izay mitaky adidy ao ambadiky ny fanamarihana. Andro natao hiasana misimisy kokoa hoenti-manasongadina ilay miralenta andrasana sy andrandraina. Andro mitaky herim-po ambonin’ny mahazatra. Mitaky fanasongadinana ny maha izy azy.
Sanatrian’ny vava, tsy andro fanaovam-pety akory. Tahaka ny andraisan’ny Malagasy maro azy, indrindra any ambany ravinahitra rehetra any. Tsy volo mpanoha randrana raha mitondra tsindrim-peo amin’ity sehoseho sy « fanalana azy » etsy sy eroa ity. Misy ny toe-javamisy tsy maintsy lazaina mba ho mpamerin-doha fa tsy mpanara-drenirano fotsiny isika vehivavy.
Tsy ampy ny vako-drazana, tsy ampy ny fampisehoana, tsy ampy ny kerimesy, fa ilay fiantraikan’ny fankalazana any amin’ny fiainan’ny Malagasy vehivavy no tena tanjona.
Firifiry tokoa ny renim-pianakaviana, ny tovovavy zary vady tsy fidiny kanefa tsy mba misitraka ny zo fototra tokony ho azy, ankehitriny. Mbola mizaka ny ziogan’ny tsy fahafantarana ka zary marefo tsy fidiny? Aiza ny ady ho azy ireny, indrindra ny any ambany ravinkazo.
Sodokan’ny endrika ivelany isika matetika, hany ka diso tanteraka ny famaritana ilay andron’ny 8 marsa, eto Madagasikara. Zava-dehibe sy efa azo tsapain-tanana ny ezaka raha ho an’ny vehivavy sy ny miralenta. Indrisy anefa, mbola tsy ampy izany!
r.r