Fankalazana ny 8 marsa: miofana, mifanohana ny samy vehivavy

Nanomboka afakomaly no mifanaretsaka ao Toamasina ny solontenan’ny vehivavy ma­nerana ny Nosy. Miara-mankalaza ny Andron’ny 8 marsa amin’ny vadin’ny filo­han’ny Repoblika izy ireo. Ankoatra ny «carnaval medicale» dia misy ny fanentanana samihafa. Manginy fotsiny ny fizarana “kits de démarrage” sy fanomezana Certificat ho an’ireo niofana tamin’ny “formation de masse en coupe et couture”. Fiofanana nokarakarain’ny minisiteran’ny Fampia­na­rana teknika ao Toamasina, nandritra ny 10 andro. Vehi­vavy marefo (mananontena, mamelon-janaka irery, iharan’ ny herisetra, sns…) miisa 140 no nanaraka izany fiofanana faobe izany, nanomboka ny 26 febroary ka hatramin’ny 7 marsa, tany an-toerana. Fia­na­rana manjaitra aron’akanjo no tena niompanan’ny fiofanana, hahatafiditra azy ireo ao an­atin’ny vehivavy ho afaka han­jaitra tablier, miaraka amin’ ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena, araka ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika.
Nomena azy ireo ny akora fototra nahafahany niofana ary rehefa vita izany, hotolorana fitaovana izy ireo (milina fanjairana, hety, kofehy, metatra, …) ho afaka miasa avy hatrany. Nanolotra ny fitaovana, miaraka amin’ny  fanamarinam-pahaizana, manamarina ny nahavitana fiofanana ny vadin’ny Filoha, Rajoelina Mialy. Niarahaba ny minisitera izy tamin’ny fanofanana ireo vehivavy. Tamin’ny herintaona, nisy vehivavy 20 isam-paritra niofana manokana teto An­tananarivo. Ho tanterahina anio ny fankalazana ofisialy, manerana an’i Madaga­sikara.

Vonjy

Partager sur: