FIF : niara-nifety ireo vehivavy mpikambana

Nihaona sy niara-nifety tetsy Andrefan’Ambohijana­hary ireo vehivavy mpikambana ao anatin’ny Firaisankinan’ Iarivo ho Fampandrosoana (FIF), omaly. Tonga nanatrika izany ny mpivarotra, ny fikambanan’ ny mponina ary ny mpitantana fotodrafitrasa eny ifotony eto amin’ny tanànan’Anta­na­na­rivo Renivohitra. Votoatin’ny fihaonana ny fifanakalozan-kevitra narahina adihevitra mahaka­sika ny anjara andraikitry ny ve­hivavy mba hampandrosoana ny tanànan’Antana­na­rivo. Na­hafahana nijery todika ny zava-bita hatramin’izay nisian’ny fikambanana ary na­maritra ny asa miandry mandritra ny herintaona indray. « Tsy natao ho fifaliana fotsiny ny 8 marsa, fa natao hanaovana jery todiky ny andraikitry ny vehivavy ao anatin’ny fiarahamonina sy eo anivon’ny tokantranony ary eny amin’ny fiarahamonina misy azy », hoy ny filohan’ny fikambanana, Ravo­loloma­nana Lala­tiana. Andro iray hikaonandoha sy hifampizarana traikefa. Zava-dehibe ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy mba hahafahana mampandroso ny tanàna. « Fampandrosoana ny tanàna no atao fa tsy fiandaniana ara-politika na fanompoana olona», hoy hatrany ny filohan’ny fi­kambanana, Ravo­lolomanana Lalatiana.

Mino

Partager sur: