Hatao any Matsiatra Ambony, ny volana avrily ho avy izao, ny Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy misehatra amin’ny niomerika. Tovovavy 50 hisitraka tantsoroka.
Mandritra ny telo volana, hanao tantsoroka ho an’ny tovovavy
50 eny amin’ny oniversite sivy manomana ny Licence sy ny Master hiditra amin’ny sehatry ny asa ny fandaharanasa “Hello women” an’ny orinasa Orange Madagascar. Nampahafantarin’ ny tomponandraikitry ny serasera ara-barotra ao amin’ny orinasa, Carine Lefriec, teny Antanimena izany tamin’ity herinandro ity. Hanana mpitari-dalana tsirairay izy 50 ireo ka ny teknisianina mpiasan’ny Orange momba ny niomerika, tomponandraikitra misahana ny mpiasa, vehivavy mpandraharaha amin’ ny sehatry ny teknolojia vaovao no hanohana azy ireo. Maimaimpoana ny fanampiana, tafiditra amin’ny fanohanana eny ifotony ny mpiara-belona.
Tanjon’ny fandaharanasa “Hello Women” ny hampiroborobo ny fanararaotra amin’ny asan’ny niomerika ho an’ny vehivavy tanora. Misy ny torohevitra sy ny fianarana ny coding, fiomanana hiditra amin’ny tontolon’ny asa ary ny fifampizarana traikefa miaraka amin’ny Orange. Napetraka ny taona 2023 ny fandaharanasa ary nitondra tombontsoa ho an’ny tovovavy 900 teny anivon’ny lycée sy ny oniversite. Nomena fahalalana momba ny coding izy ireo ary nizarana torohevitra ihany koa.
Hiitatra ho an’ny faritra Toliara, Fianarantsoa, Antsirabe ny tantsoroka ho an’ny zatovovavy. 20% ny asa eto Madagasikara dia mifototra amin’ny niomerika avokoa ary 18% amin’ireo vehivavy ihany no miasa ao anatin’io sehatra io. Vitsy ny vehivavy mbola mahafehy ny niomerika ka ambony ny karama vokatr’ izany eny amin’ny tsenan’ny asa. Ampirisihina, noho izany, ireo zatovovavy hisafidy ny fianarana sy asa mifandraika amin’ny niomerika.
Vonjy