Fiofanana momba ny teny tanana: mpiantsehatra ara-pahasalamana 30 nahazo mari-pankasitrahana

Niofana mahakasika ny teny tanana ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana 30 avy amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Alaotra mangoro. Notolo­rana mari-pankasitrahana tetsy amin’ny Akanin’ny Marenina (Akama) 67ha, izy ireo, omaly. Nandritra ny tapabolana ny fiofanana nampanaovin’ny fikambanam-behivavy manana fahasembanana eto Madaga­sikara (Afham).Vitsy ireo vehivavy marenina manatona tobim-pahasalamana eto Mada­gasikara, raha ny zava-misy. Antony mahatonga izany ny tsy fahaizan’ny mpiantsehatra ara-pahasalamana io teny tanana io. Vokany, tsy manana fahalalana ireo vehivavy ma­renina manoloana ny fandrindram-piterahana sy ny fa­ha­salamana ara-pananahana… « Nampianarina ny teny tanana, noho izany, ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana mba afaka handray am-pifaliana sy tsy am-patahorana ireo vehivavy marenina tonga mitsidika ny tobim-pahasalamana », hoy Razafinjato Fela, filohan’ny Afham, nandritra ny hetsika tetsy 67 ha, omaly. Namba­rany fa fomba iray ahafahan’ ny marenina mifanerasera amin’ny mpiara-belona aminy ny fahaizana ny teny tanana.
Nentin’izy ireo nankalazana ny Andron’ny 8 marsa ihany koa ny hetsika. Anisan’ny zo fototry ny vehivavy marenina ny zo ara-pahasalamana. « Tsy ho tanteraka mihitsy izany raha toa ka tsy misy olona mifanerasera sy mifandray amin’izy ireo amin’ny alalan’ny teny tanana », hoy hatrany ny filohan’ny Afham, Razafinjato Fela.

Mino

Partager sur: