Mpivady mpisoloky: vao avy nigadra, voasambotra indray

Tra-tehaky ny polisy ny mpivady nisoloky volan’olona tamin’ny « facebook » ny herinandro teo. Maro no velon- taraina amin’izy mivady, lanin’izy ireo ny vola azony.

Tsy mety fay! Saron’ny polisim-pirenena ny herinandro lasa teo ireo mpivady nisoloky volan’olona tany Angarazy, distrika Morombe. Nahita filazana tao amin’ny tambajotra sosialy ireto mpivady ireto ka tapa-kevitra ny hamerina ny asa ratsiny indray. Efa voaomana ny teti-dratsiny ka voasoloky tokoa ilay tompom-bola.

Ny 16 novambra teo, nanao filazana tao amin’ny “facebook” ny vehivavy mba hanakalo vola malagasy ho vola amerikana “USD”. Na­maly ny antso ny lehilahy iray fa manana lelavola mitentina 6000$ izy ao amin’ny kitapom-bolany “Binance Wa­let”. Nitohy ny resaka ka resy lahatra ilay tompom-bola. Tapaka ary fa hatao takalo Mvola io lelavola io. Miten­tina 26.400.000 Ar ny sandan’ilay vola Dolara.

Tsy hita intsony

Natoky tanteraka an’iry mpanakalo vola ilay vehivavy. Namono telefonina avy hatrany anefa ilay lehilahy vantany vao voarainy ilay vola antapitrisa voalaza etsy ambony. Novonoiny ihany koa ilay kaonty “facebook”. Tsy hita popoka intsony izy avy eo. Araka izany, nitory teny amin’ny polisy ilay very vola. Nisokatra nanaraka izany ny fitadiavana rehetra. Vokany, tratra tao amin’ny kaominina Angarazy ilay mpisoloky. Fantatra tamin’izay fa “puce” nampiasain’ilay vadiny no nangalany ilay volabe. Taorian’izay, nampiasain’izy mivady nividianana entana sy kojakoja maro samihafa ny ampahany tamin’ireo vola azony.

Tsy vao izao ny fisolokiana ataon’ity lehilahy ity. Tratra tao anaty findainy ireo resaka nifanaovany taman’ olona samihafa. Maro ihany koa ireo very vola rehefa nahatoky azy satria roboka amin’ireo resany. Milaza izy mantsy fa manana “solde cryptomonnaie”. Fantatra ta­min’izay fa efa nigadra enim-bolana teny Antanimora izy ny taona 2021 rehefa nandalo teny amin’ny sampan-draharaha ny “cybercriminalité” teny Anosy.

Henintsoa Hani

Partager sur: