Tsy mahafaty ny aretina mpahazo ny zaza, bronchiolite, raha voaray an-tanana ara-potoana ny fitsaboana. Nanokatra sampam-pitsaboana ny zaza ny hopitaly Andohatapenaka.
Tonga aloha tamin’ity taona ity ny fiparitahan’ny aretina bronchiolite mpahazo ny zaza madinika, vao teraka hatramin’ny 12 volana. « Mivoatra izany raha ny zava-misy ao amin’ny hopitaly mikarakara ny reny sy ny zaza ao Tsaralalàna », hoy ny talen’ ny hopitaly, ny profesora Robinson Annick Lalaina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny volana febroary sy marsa no vanim-potoana tena mampirongatra ny aretina. Ny volana janoary anefa dia efa maro ireo zaza notsaboina ary nitohy nandritra ny volana febroary.
Amin’izao fotoana izao, efa nihena ny isan’ireo tonga manatona ny hopitaly vokatr’ izay bronchiolite izay, araka ny fanazavany ihany. 50 ny fandriana azo handraisana ny marary voasokajy araka ny taona. Amin’ny ankapobeny, dimy andro no fotoana hijanonan’ny zaza manaraka fitsaboana, arakaraka ny aretina, ary misy ny maharitra hatramin’ny dimy volana. Tsy mitarika amin’ny fahafatesana ny aretina bronchiolite raha voaray an-tanana ara-potoana ny zaza marary. Ny filàna “oxygène” no antony hidirana hopitaly matetika fa mitovy amin’ny fitsaboana gripa ihany no ampiasaina. Fisorohana ma-homby hiarovana ny ankizy madinika amin’ny aretina bronchiolite ny fahadiovan’ny mpikarakara ny zaza. Zava-dehibe koa ny tsy fifampikasokasohana be loatra amin’ny olona maro, indrindra ireo voan’ny gripa na mikohoka.
Sampana vaovao
Misy fotoana, nanokatra sampam-pitsaboana ho an’ny ankizy ny hopitaly eny Andohatapenaka. Tsy naharaka ny isan’ny zaza mila fitsaboana ny fandriana misy eny amin’ny hopitalin’ny zaza rehetra teto Antananarivo. Mety hakatona atsy ho atsy izany, efa nihena ny isan’ny zaza marary tonga. Telo ka hatramin’ny fito isan’ andro ny zaza voatery noraisina teny Andohatapenaka. Fomba fiasa efa nampiharina hatramin’izay ny fanokafana sampam-pitsaboana ny zaza eny an-toerana.
Vonjy