Oniversiten’i Toamasina: efa vonona ny BTR ho an’ny mpiasa

Nitafa mivantana tamin’ny filohan’ny oniversite, ireo mpam­pianatra sy mpandraharaha ary ny mpianatra tao Barika­dimy, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny herinandro lasa teo. Laharam-pahamehana nandritra ny fitsidihana ny fametrahana ny filaminana sy ny fitoniana eo anivon’ny oniversite. Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces) sy ny oniversite ary ny fampiharana ny fitondrana tsara tantana. Nampahafantarina nandritra ny fihaonana ny vinan’ny minisitera ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana sy ny asa atao ao anatin’ny 100 andro.
Nanambara ny minisitra fa efa nisy fifampiresahana natao mahakasika ireo mpiasa an-tselika. Efa eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana ny BTR ho an’ny oniversten’i Toamasina raha toa ka efa mandoa izany ny oniversiten’Antananarivo sy Antsiranana. Nohamafisiny hatrany ny maha zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa mba hiantohana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Ny fifanakalozan-kevitra tsirairay dia hanokatra lalana ho an’ny fampandrosoana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana.

Vonjy

Partager sur: