Toamasina : nahatsiaro ho voailika ny vehivavy sasany

Nahoraka ny fankalazana ny Andron’ny 8 marsa tao Toa­­masina. Ambohi-pihaonan’ny vehivavy maherin’ny 15000 izay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy izany. Efa nitodi-doha namonjy fodiana ny ankamaroan’ny mpizaika. Indrokely, nanomboka nampiaka-peo kosa ny tompon-tanàna. Mi­zara ny fahasorenany ny renim-pianakaviana sasany sy ny fikambanam-behivavy maro. “Natao fitaovana hanamaro olona eo anoloan’ny araben’ ny fahaleovantena ho hitan’ny Filoha fa nahavory olona ny mpitondra eto an-toerana. Tsy mety aminay ny fanovana ny mahazatra hatramin’ izay, tsy anisan’ny olona afaka nilahatra nandalo teo anoloan’ny lapihazo misy ny manamboninahitra izahay”, hoy ny fitarainana.
Raha hiverenana ny zava-niseho tamin’ny Andron’ny fankalazana ny 8 marsa, teo anoloan’ny Lapan’ny faritra Atsinanana no nisy ny lapi­hazo. Izay fikambanam-behivavy nisoratra anarana teo anivon’ny sampandrahara­han’ny mponina sy firaisan­kina dia afaka nandray anjara tamin’ny filaharana avokoa sy mandalo eo anoloan’ny lapihazo misy ny manampahe­fana.
Tampoka, niova ny fandaminana rehefa tonga ny ekipa iray hafa avy amin’ny fiadi­diana ny Repoblika. Nafindra teny amin’ny Espace Miami, teny amoron-dranomasina ny lapihazo. Vokany, noferana ny isan’ny fikambanana afaka mandalo eo anolon’ny filohan’ ny Repoblika, mivady. Voai­lika ny mpilahatra izay efa niandry nanomboka tamin’ny 6 ora maraina. Nody avy hatrany ny akamaroan’ireo nahatsiaro ho voailika. Nisafidy nanao fety teny an-tanànany izy ireo.

Sajo

Partager sur: