Antsirabe sy Fianarantsoa: niofana ny mpitantana ny English Club

Natomboka ao Antsirabe, tamin’ity herinandro ity, ny atrikasa “English Club Moderator Training” ho an’Antsirabe sy Fianarantsoa. Iarahana amin’ny masoivoho amerikanina sy ny fikambanana Ndeha hianatra izahay ary ny Dr Kathleen Malu manatanteraka ny tetikasa.
Hisitraka karazana torolalana hampandrosoana ny fampianarana teny anglisy ireo mpitantana ny English Club avy ao Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe, Ambositra ary Fia­na­rantsoa. Hojerena amin’izany ny karazana teknika famoronana sy fitantanana ary fanentanana ny English Club, amin’ny alalan’ireo fitaovana samihafa novolavolain’ny governemanta amerikanina entina hampianarana ny teny anglisy.
Tohin’ny hetsika fampiroboroboana ny teny anglisy sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitantana ny English Club manerana an’i Madagasikara ny atrikasa “English Club Moderator Training”. Efa ny fifehezana ny teny anglisy no anisan’ny sivana handraisan’ny orinasa ireo tanora hiasa ao aminy, ankehitriny, ka ilaina ny fahaizana izany.

Tatiana A

Partager sur: