Mihazakazaka izaitsizy ny fanomanan’ny tsirairay sy ny fikambanana ary antoko manan-katokona hoenti-miatrika ny fifidianana solombavambahoaka, hatao ny 29 mey ho avy izao. Ny antoko goavana sy ny vovonana mpanohitra aza efa nahavita namoaka ny anarana sy ny fahazoan-dalana ho an’ny kandidà hirotsaka amin’ny anarany.
Andrasana ny avy amin’ny fitondrana na ireo mpanohana. Tsy mbola misy mipika ny lisitra saingy efa misimisy ihany no misora-tena sy milaza fa ho kandidàn’ny “fanjakana”. Efa tsy takona afenina rahateo ny fanaovan’ny minisitra sasany fidinana ifotony, misary ho fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Voalaza fa izy ireny dia anisan’ny niantefan’ny fitiavana manokan’ny filohan’ny Repoblika ka sady ho solontenany eny ifotony no hitondra ny tenin’ny vahoaka mpifidy azy. Asa re?
Na izany na tsy izany, asa, hanao ahoana aloha ny mahakasika izay ho fizotry ny fifidianana? Mandra-pisian’ izay vondrona na vovonana tokana ho an’ny mpanohana fitondrana dia manao sy manovokovoka ny antoko isanisany. Efa manao ny fampielezan-keviny mialoha ny fotoana ny mpanambola, mahadingana ny sivana voalohany. Tsy ny olon-drehetra no hanana 20 tapitrisa Ar ho antoka fotsiny. Manginy fotsiny ny ho fandaniana amin’ny fampielezan-kevitra sy ny fametrahana ny fototra.
Tsy an-jaza aloha ilay resa-pifidianana eto Madagasikara. Nivadika ho sera sy vola no takalom-pahefana. Very tanteraka ny fotokevitra hoenti-mampandroso. Iza no hiraharaha izay tombontsoan’ny besinimaro izany? Vola am-paosiny no miala sy lany. Vaovao ny fitsipika: mamoaka mba hahazo tombony. Ankoatra izay fampiesonana sy famitahana saim-bahoaka fotsiny.
Manoloana izany, tsy misy ny azo ambara, anjaran’ny mpifidy sisa no mandinika. Na hiroso ho faty renibe, na hihemotra ho faty raibe… Efa mazava ny fitsipi-dalao: sadasada sy fitapitaka!
r.r