Faritra 19-Sehatra tsy manara-drafitra : Ivontoerana valo miantoka ara-pahasalamana olona 643 796

Nampiroboroboana ny fitsanganan’ny toeram-piantohana momba ny fahasalamana misahana ny sehatrasa tsy manara-drafitra ahazoan’ny olona maro misitraka tolotra ara-pahasalamana manana kalitao tsara.

«Amin’izao fotoana izao, valo ny fikambanana misahana ny fiantohana ny fahasalaman’ny mpikambana misandrahaka amin’ny faritra 19 ao anatin’ny federasiona Miara-Miahy», hoy ny filohan’ny federasiona, dokotera Randriamalala Vero.
Mive­lo­na sy mihodina amin’ny alalan’ny latsakemboka arotsaky ny mpikambana ny ivontoerana ahazoany manao fifanarahana amin’ny tobim-pahasalamana na farmasia mikarakara ny fahasalamana. Ny minisiteran’ny Fa­ha­salamam-ba­hoa­ka no ma­nome fankatoavana ny tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana hisahana ny fahasalaman’ny mpikambana. 80%-n’ny Ma­la­gasy tsy misitraka fiantohana ara-pahasalamana fa ny 20% ihany manana fiantohana avy amin’ ny toeram-piasana satria mpi­asam-panjakana na mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina manara-drafitra. Ireo mivelona anatin’ny asa tsy manara-drafitra kosa no mpi­kambana sahanin’ny ivontoerana valo ao amin’ny Miara-Miahy. Mpamboly (va­nila, mananasy…) no maro anisa amin’ireo mpikambana amin’ny Afafi-Adefi-Santé, Mampita-Ma­ha­velona… manampy ireo ny mpivarotra. Ambany ny sora-bola takiana amin’ny latsakemboka. Mi­ka­rakara fahasalaman’ny olona 643 796 ny ivontoerana valo miaraka mi­asa amin’ny to­e­am-pitsa­bo­ana, farmasia, dé­pôt de médicament 824 anatin’ny faritra 19. 15 taona niasana ny federasiona izay mandrindra ny fiasan’ny ivontoerana mpikambana.
Havadika ho nomerika ny fitantanana
Hanamorana ny fitantanana, miara-miasa amin’ny Mtomady ny federasiona sy ny mpikambana telo isorohana ny fanaovana hosoka. Eo koa ny fametrahana angon-kevitra lehibe iraisan’ny ivontoerana. Manohana ara-bola sy ara-teknika ny fametrahana ny fitaovana nomerika hikirakirana ny asa rehetra ny fiaraha-miasa alemana (GIZ), hoy ny mpandrindra teknika ny tetikasa, Andriamahazosoa Joela. Manamora ny asa satria mampihena ny fotoana lany amin’ny fikirakirana antontan-taratasy ny famadihana izany ho nomerika.

Nijery ny paikady hanatsarana ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpikambana ireo ivontoerana miantoka izany, omaly teny Anko­ron­drano.

Vonjy A.

Partager sur: