CNIDH : nampahafantarina ny fifanarahana momba ny zo sivily sy politika

Nanao fampirantiana ny momba ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy politika ho an’ny vahoaka, omaly ny Vaomiera mahaleotena momba ny zon’ olombelona (CNIDH) teny amin’ny Parvis Analakely. Naranty sy nazavaina ho an’ ny mpitsidika izany miaraka amin’ny fandraisana fitarainana momba ny tsy fanajana ny zon’olombelona, hoy ny filoha lefitry ny CNIDH, Andri­a­narivelo Prisca, omaly teny Analakely. Toy ny fanao isan-taona, naseho tao antin’ny takelaka 30 koa ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona izay marihina isaky ny 10 desambra maneran-tany. Isan-taona ma­nodidina ny 100 eo ho eo ny fitarainana voarain’ny sampandraharahan’ny fiarovana ny zon’olombelona CNIDH izay entina eo amin’ny fivoriamben’ny kaomisera 11 mandrafitra ny mpikambana hanapahana ny zavatra atao manoloana ny fitarainana tsirairay. Misy ny fitarainana tsy eo ambany fahefan’izy ireo ny mikarakara azy. Ny olana mikasika ny tany no maro anisa indrindra, eo koa ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny vondron’olona marefo, hoy ny fanazavany ihany.
Mandray anjara amin’ny fanamarihina ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy ny CNIDH.
Nisy atrikasa momba ny fampiasana zaza tany Am­bo­sitra, fampahafantarana ny zon’ny olona varira tany Amboasary. Manana andraikitra amin’ny fanamarihina ny Andro iraisam-pirenena mo­mba ny zon’olombelona karakarain’ny mimnisiteran’ny Fi­t­sarana sy ny Firenena mi­kambana rahampitso ny CNIDH.

Vonjy A.

Partager sur: