Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanafohanana tanteraka ny haba sy hetra ho an’ireo kaontenera miisa 49 misy fanomezana natokana ho an’ireo ankizy sahirana eto Madagasikara. Fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy miaraka amin’ny ONG Tetikasa ankizy Krismasy (Tak) no hahatongavan’ireo fanomezana ho an’ny ankizy ireo. Ho tonga mialohan’ny fetin’ny Krismasy eto Madagasikara izany kaontenera izany.
Avy amin’ny ankizy kristianina amerikanina sy kanadianina izay mahatsapa ny fahantrana aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana ireo fitaovana ho tonga ireo. Hozaraina maimaim-poana amin’ ireo akizy malagasy tena sahira manodidina ny 2 taona ka hatramin’ny 14 taona ireo fanomezana. Mitondra hafaliana sy fahafaham-po ho an’ ireo ankizy sy ny ray aman-dreny ao anatin’ny fetin’ny Krismasy ny fizarana izany.
Hotsinjaraina amin’ny faritra 23 izany amin’ity taona ity. Hotanterahina eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Mponina ny fanatanterahana ny hetsika fizarana rehetra. Maniry ny hiara-hiasa amin’ ny fikambanana Fitia izay tarihin’ ny vadin’ny Filoham-pirenena ihany koa anefa ny ONG Tetikasa ankizy Krismasy.
Tatiana A