Mihazakazaka ny toe-draharaha mahakasika ny fifidianana. Raikitra amin’izay ny lalao. Efa mivoaka ny fitsipika sy ny isan’ny olona ho raisina, hiakatra eny ambony kianja. Nampitomboina mihitsy aza izany mba hahafahan’ny distrika isanisany hisitraka ny tombontsoa sahaza azy. Ho mpisolovava rahateo izay ho lany « match » sy ho lany ka samy manovokovoka amin’ny fanafanan-tena.
Efa nivoaka ny androm-pifidianana. Noraisin’ny filankevitry ny governemanta rahateo ny didy mamaritra ny antontan-taratasy ilaina. Mazava ny fandraisana anjara, izay 20 tapitrisa Ar. Tsy an-jaza, ara-bakiteny, ny lalao. Izay manam-bola sy tena vonon-kandresy no handaka ny baolina. Tsy misy ankitsapatsapa sy andranandrana intsony io. Fa na mandresy na very vola.
Tsy mahagaga, mafotaka sy ifandroitana ny fidirana anatin’ny lisitra ho an’ny fikambanana sy ny antoko lehibe. Raha efa namoaka ny azy tsikelikely ny vovonana Firaisankina, andrasana andro vitsy ny mpiara-dia amin’ny fitondrana. Hatreto tsy misy mipika izay ho kandidà. Samy manonontonona ny anaran’ny Filoha Rajoelina Andry eny avokoa izay te hanonona. Mazava anefa ny resaka : tsy misy kandidà mbola raikitra hatramin’izao.
Tsy hijanona ho an’ny antoko lehibe akory ny ady sisika ho eny Tsimbazaza. Maro ny olon-tsotra manam-piniavana sy vonona ny hitondra ny anjara birikiny. Maro ny hilatsaka ho fidina amin’ny vondrona mahaleo tena. Samy efa eny an-kianja, tsy miandry izay kiririoka haneno izany.
Efa mandeha ny fampielezan-kevitra savaranonando, ny vola samy manana rahateo, ny fahaizana miresaka samy tompony. Ny hirarina, mba samy hanaja ny fitsipi-dalao, sy tena resy lahatra amin’ny fitiavan-tanindrazana avokoa. Mila manova sy fiovana ny Malagasy !
r.r