Toamasina : nidina an-dalambe ny vahoaka

Tsy tana intsony ! Raikitra ny savorovoro tao an-drenivo­hitr’i Toamasina, halina. Andaniny, nidina an-dalambe ny vahoaka noho ny fahatapahan-jiro lavareny any an-toerana. Nandoro kodiarana, nanapaka arabe izy ireo. Ankilany, niezaka nifehy ny hetsiky ny mponina ny mpitandro filaminana. Nia­fara tamin’ny fanaparitahana tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso izany. Ireo vahoaka kosa namaly tamin’ny tora-bato sy ny horakoraka.
Raha tsiahivina, efa hatramin’ny afakomaly no tapaka ny jiro any an-toerana ary tsy mbola niverina izany omaly alina, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Efa nandray fepetra amin’ny fiarovana ny biraon’ny Jirama ny prefen’i Toa­masina. Araka ny vaovao voaray, noho ny tsy fahampian’ny solika ampiasain’ny Jirama no anton’izao fahatapahana maharitra izao.

Sajo

Partager sur: