Hentitra fa tsy henjana!

 

Nanaitra ny nahita ny hetsika nataon’ny mpiasa mpandraoka fako eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly tolakandro. Tampoka teo niara-nihetsika tamin’ny tanàna maromaro izy ireo. Mazava ny fitakiana, fandoavana ny karamany nandritra ny folo andro, nanaovana ilay hetsika nampanantenain’ny filohan’ny delegasiona manokana.
Lasa tokoa izay ny folo andro, miandry ny asa mivaingana sy azo tsapain-tanana ny mponin’Antananarivo. Efa niala tsikelikely ny fako, saingy tsy afaka tanteraka araka ny toky nomena. Maro ny dabam-pako mbola tsy afaka, miandry ny fanesorana azy ireny, araka ny fotoana nifanomezana.
Na izany aza, misy ny ezaka hita ivelany. Olana anefa dia ireto mpiasa miasa jamba rafozana, manenjika ny toky politika natao teny am-pandraisana fahefana. Mampanahy ny zava-mitranga satria mbola maromaro ny filana ara-bola tsy maintsy ilaina amin’ny fanadiovana sy fidiovana eto an-drenivohitra, raha tiana ny hametraka ilay fanovana nodradradradraina.
Mbola aiza ny volabe ilaina amin’ny solika sy ny fikojakojana ny fiarabe mpaka sy mpanary fako. Soa fa efa nahita vahaolana maika, mifanaraka amin’ny toe-javamisy ny eo anivon’ny kaominina dia ny fanasaziana vola avy hatrany ireo mpanary fako tsy amin’ny ora voatondro. Toraka izany ny dina, volabe ho an’izay tratra mivalandrano sy mandrorarora eny Analakely.
Tsara ilay finiavana saingy ny fampiharana azy no hanao akory? Iaraha-mahalala rahateo fa vahaolana maharitra no ilaina raha ny mahakasika ity renivohitr’i Madagasikara ity. Fandraisana andraikitra anaty fifampiresahana no nahazatra ny mponina. Mila hentitra fa tsy henjana ny mponin’Antananarivo. Ny fanabeazana sy fanentanana mitety tanàna no nampahomby ny mpitondra ny kaominina teo aloha. Soa fianatra !

r.r

Partager sur: