Fampianarana teknika : Hizara fifanarahana arakasa 400

Tamin’ny “poste budgétaire” (fahafahana mampiditra mpiasa) 1 000 anjaran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho an’ny taona 2022, araka ny naoty nivoaka ny 14 oktobra 2022. Ny toerana 400 tamin’ireo, nandraisana ho mpiasam-panjakana ireo vacataires efa mpiasa teo anivon’ny minisitera ary ny 600 ambiny kosa nampidirana mpiasa vaovao. Namoaka fanambarana ny minisi­tera momba ireo mpiasa 400 ireo fa ny volana desambra lasa teo vao vita sonia ny fifanarahana arakasa mifandraika amin’ izany. Rehefa tonga ny mpitantana vaovao, niroso tamin’ny fanamarinana rehetra izy ireo ary nijery ny ivontoeram-panofanana sy ny lycée teknika tsy ampy mpiasa ka ilaina ny fandefasana mpiasa avy amin’ireo vao noraisina.
Tontosa avokoa ny dingana fanamarinana. Hozaraina tsy ho ela ny taratasy fifanarahana arakasa. Manentana ireo mpiasa 400 voakasika ny tomponandraikitry ny minisitera hiomana handray ny asany eny anivon’ny toerana nanendrena azy tsirairay avy.
Ankoatra izay, nandray ny masoivohon’ny firenena Japoney miasa sy monina eto Madagasikara, Abe Koji, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny sampandraharaha japoney amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na Jica ny minisitra, Rakotondrazafy Lalatiana.
Ny resaka fampiofanana arakasa ho an’ny tanora malagasy, indrindra amin’ny harena an-kibon’ny tany, no nifantohan’ny diniky ny roa tonta. Hisy fametrahana fiaraha-miasa amin’ireo orinasa lehibe mpitrandraka harena an-kibon’ny tany miasa eto amintsika, mba handraisana avy hatrany ireo tanora hiasa, izay hisitraka fampiofanana rehefa vita izany.

Vonjy

Partager sur: