Niompana tamin’ny ezaka hanatomombanana ny fampisakafoana an-tsekoly ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny ekipa avy amin’ny Fandaharanasam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (PAM).
Nodinihina tamin’izany ny famatsiana sy ny fampitaovana ny fampisakafoana an-tsekoly ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana. Teo koa ny fampiofanana ireo tomponandraikitra amin’ny fitantanana izany, fanomezana sakafo vonjy voina ho an’ireo misedra ny vokatry ny fandalovan’ny loza voajanahary, fanohanana ny Andro Afrikanina ho an’ny fampisakafoana an-tsekoly (JAAS)…
Nasiana resaka ihany koa ny famolavolana komity misahana ny fampisakafoana an-tsekoly mifototra amin’ny vokatra ao an-toerana sy ny fametrahana sekoly modely sy fitaratra.
Tanjona lehibe amin’ny fiaraha-miasa ny hiadiana amin’ny fahatapahan’ny fampianarana any amin’ireo faritra marefo ara-tsakafo, izay miteraka tsy fahatomombanan’ny fianaran’ny ankizy amin’ny ankapobeny, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena.
Tatiana A