Tanjona apetraka maneran-tany ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Maneho izany indrindra ny fiaraha-miasan’ny Baobab banque Madagascar sy ny Baobab+, amin’ny alalan’ny tolotra « Baobab Energy Solutions » (BES) omeny. Hanamora ny fiainan’ny mpandraharaha madinika sy ny tokantrano samihafa hisitraka ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, toy ny vata fampangatsiahana, sy ny fampiasana ireo fitaovam-pifandraisana avo lenta, toy ny finday, fahitalavitra sns, ny BES. « Betsaka ny tombony azo avy amin’ny tolotra. Hampihena ny vola mivoaka amin’ny fampiasana ny arina fandrehitra izany. Maharitra hatrany amin’ny dimy andro ihany koa ireo sakafo tehirizina ao anatin’ny vata fampangatsiahana », hoy ny fanazavan’ny tale ara-barotry ny Baobab+, Ranaridresy Joël, omaly, teny Antaninarenina. Vahaolana manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra matetika ny fampiasana ireo fitaovana ireo ary tombony ho an’ny mpisehatra ara-toekarena. Nilaza ny tale jeneralin’ny Baobab Banque Madagascar, Hugues Bonshe Makalebo, fa « hiaraka hanangana hoavy mamiratra ho an’ny mpandraharaha isika amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena ».
Daholobe
« Natao ho an’ny rehetra ny tolotra BES, izany hoe, afaka misitraka izany avokoa ny tsirairay. Tsy misy ny antoka amin’ny fandoavana ny vidin’entana ary hamoraina arakaraka ny fahefan’ny mpanjifa izany », hoy kosa ny tomponandraikita eo anivon’ny Baobab banque Madagascar, Razafindretsily Honoré Stephan. Miavaka sy tsara kalitao avokoa ireo entana ao anatin’ny tolotra, izay ho hita manerana ny Nosy amin’ny vidiny tsy miova. Tsiahivina, tohin’ny fiaraha-miasa ny Baobab Banque Madagascar sy ny Baobab+ toy ny tamin’ny taona 2017 ity tolotra vaovao omeny ity.




