Toliara: hofanina arakasa ireo voafonja

Ny faran’ny herinandro teo, nijery ny zava-misy iainan’ny voafonja ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana.
Nambarany tamin’izany, fa tsy maintsy hampitomboina ny fanofanana ny voafonja any an-toerana. Tanjona ny hanamafisana ny fanarenana ny fiainan’izy ireo aorian’ny famitany ny saziny. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana dia ny fanomezan-danja ny maha olona rahateo ny ezaka.
Mivelatra amin’ny sehatra maro ny fampiofanana. tsy maintsy mametraka fiaraha-miasa amin’ny karazam-pikambanana matihanina ny tomponandraikitry ny fonja. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa. Nanolotra fitaovana hoenti-miofana ny minisitry ny Fitsarana ho tantsoroka amin’ny fanatanterahana izany. Nahitana lafaoro miaraka amin’ny kojakoja fanaovana mofomamy, milina fanjairana miaraka amin’ny kofehy sy valonan-damba, sns.
Miisa 837 ireo olona mifonja ao Toliara, 787 lehilahy ary 25 vehivavy. Zaza tsy ampy taona kosa ny 25, ka lahy ny 22 ary vavy ny 3.

Tatiana A

Partager sur: