Filatsahana an-tsitrapo: nanao tatitra ireo japoney avy amin’ny Jica

Noraisin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ireo japoney mpilatsaka an-tsitrapo nahavita ny asany nandritra ny 2 taona, teny amin’ny oniversiten’Itasy, Soavinan­driana. Manampy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eny amin’ny anjerimanontolo ny fiaraha-miasa amin’ny Jica, amin’ny alalan’izy ireo.
Anisan’ny tonga nanao tatitra ny asa vitany i Take­haru Dohkan. Niompana tamin’ny fampandrosoana eo anivon’ny fiarahamonina no nataony. Nampiofana mpianatra manodidina ny 300 izy. Liana tamin’ny fahalalana nozarainy na ny mponina any an-toerana aza. Nampianatra ny teny sy ny kolontsaina japoney izy ary nanao hetsika ho fanatsarana ny fiainana niaraka tamin’ireo mpianatry ny oniversite.
Afapo tamin’ny asa nataony ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Fifaliana ho azy ireo ny nitondrany anjara biriky ho fampandrosoana ny fampianarana. Maro ireo tanora japoney miasa any ambanivohitra. Manampy amin’ny sehatra maro, toy ny fampianarana, fambolena sy fiompiana, izy ireo.
Misitraka mivantana ny traikefa entin’izy ireny ireo eny ifotony. Misongadina ny vokatra amin’ireo toerana iasany.

Tatiana A

Partager sur: