Fitsaboana ny aretina tazo tsotra: napetraka ny tetikasa “Imprima” hanatsarana ny fanafody ACT

Mivoatra ny fitsaboana ny aretina tazo tsotra amin’ny fanampiana primaquine ny fanafody fitsaboana, ACT. Hamono ny katsentsitra ny primaquine, hanapaka ny fifindran’ny aretina avy amin’ny kaikitry ny moka.

Efa misy ny tetikasa « Im­prima » hoenti-mana­tsara ny fitsaboana ny aretina tazo. Vokatry ny fikaro­hana nataon’ny Malagasy sy vahiny mpikaroka sy ny ivontoeram-pikarohana momba ny zavamaniry hitsaboana (Cnarp) ary ny oniversite any Stras­bourg sy any Fianaran­tsoa no nahazoana azy. Ny fanafody fitsaboana ny tazo tsotra ACT ihany no ampiana primaquine. Ity farany izay mamono ny katsentsitra sy ny atodiny ao anatin’ny vatan’ilay marary ka tsy mamindra intsony amin’ny olon-kafa. Misy amin’ny fatra rehetra, ho an’ny sokajin-taona (manomboka amin’ny zaza enim-bolana no ho mi­hoatra…) samihafa ny fana­fody nohatsaraina. Am­pia­saina amin’ny toerana efa eo an-dalam-pandresena ny aretina, ka handringanana azy tanteraka, no namolavolana ny “Imprima”. “Eto amintsika, ny faritra Vatovinany no hampiasana azy voalohany satria mbola mifindra be ny tazomoka any an-toerana mandritra ny fotoana maharitra”, hoy ny mpikaroka, ny profesora Ra­tsimbason Arsène, omaly, teny Ambodivoanjo. Mano­hana ny tetikasa ny Vondrona eoropeanina ary mandrindra ny asa ny Cnarp. Hisy ekipa, ahitana mpitsabo, mpisehatra sosialy, hanao fanadihadiana sosialy eny anivon’ny mponina manoloana ny fampiasana ny fanafody nohatsaraina. Hidina any Ranomafana ny mpikaroka sy ny ekipa rehetra manom­boka anio.
Hanatanterahana ny tetikasa koa ny any Burundi sy Burkina Faso. Oniversite vahiny maromaro no mifandrim­bona amin’ny fikarohana, eo ambany fitarihan’ny oniversiten’i Strasbourg, miaraka amin’ ny professeur Didier Menard.
Mbola ambony ny tahan’ ny fifindran’ny aretina tazo ka hanapahana izany ny tetikasa “Imprima”, hanampy ireo paikadin’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka efa ampiharina amin’izao fotoana izao.
Atokisan’ny mpiray ombon’ antoka ny mpikaroka sy ny toeram-pikarohana malagasy ka izany no nahatonga ny fanatanterahana ny tetikasa eto amintsika.

Vonjy A.

Partager sur: