Nahitam-bokany ny antso avo nataon’ny tetikasa « Produir » amin’ny hanangonana boky ho an’ireo trano famakiam-boky eto Antananarivo. Nahafahana nanangona boky sy fitaovana hafa miisa 1 500 ny fanentanana natao.
Tsy mbola ampy hamenoana ireo trano famakiam-boky eny amin’ny fokontany iasana anefa ireo. Miisa 5 ny fokontany hovatsiana boky ka ny 4 amin’ireo dia eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny ao amin’ny fokontany Andohatapenaka 1 sy 2, Antohomadinika 3G Hangar ary Andranomanalina, raha any amin’ny kaominina Andranonahoatra dia ny fokontany Ambanilalana kosa no manampy azy.
Mbola mitohy, araka izany, ny fanangonana boky, na avy amina fikambanana na avy amina olon-tsotra. Tsy mifidy na boky amin’ny teny malagasy na teny frantsay na anglisy, ary ny tena ilaina dia amin’ny fiteny roa. Raha manana boky vaovao na efa novakiana na manam-paniriana hanampy ireo tranom-boky ny isam-batan’olona dia afaka manatona sy mitondra izany eny amin’ny biraon’ny UGP Produir, Manakambahiny na ny biraon’ny fikambanana A2DM. Misokatra amin’izany koa ny biraon’ny fokontany sy ny tranomboky etsy Analakely.
Tahirin-kevitra marolafy no hita anaty boky ary hahazoana haren-tsaina. Mendrika hisitraka izany ireo tanora sy ankizy eny anivon’ny fokontany ka izany no anton’ny ezaka ataon’ny tetikasa. Tsy voatery mamonjy ireo tranomboky alavitra intsony ny tanora fa afaka manatona eny anivon’ny fokontany misitraka izany.
Tatiana A