Tandindon-doza : manana drafitrasa fiomanana i Madagasikara

Zava-dehibe amin’ny fiatrehana ny loza ny fananana drafitrasam-pirenena. Misy ny fanentanana sy fanapariahana izany ataon’ny mpiantsehatra.

Ho an’ny taom-pahavaratra 2023 -2024, nahafahana nampihena ny voka-dratsin’ny orambe sy ny loza ny fananan’i Madagasi­kara ny drafitrasam-pirenena. «Mahakasika ny fiomanana mialoha sy ny tandindon-doza izay nampiharina izany», araka ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitry ny BNGRC, Razafimanantsoa Mirana, omaly teny Ambodivoanjo.
Nametraka fitaovana fa­mantarana ny antontam-baovao momba ny toetry ny andro, ny toe-tany ary ny toetry ny rano ny BNGRC sy ny Météo Madagasikara. No­mena tombony ireo toerana marefo handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fiomanana. Afaka nafindra toerana mialoha ny mponina amin’ny faritra iva niarovana ny ainy. Miomana ka mamaly avy hatrany rehefa tonga ny voina no tanjona. Mba ho voaaro amin’ny fanairana mialoha ny daholobe. Tafiditra amin’ny drafitrasam-pirenena 2023-2027 izany. Mifandraika amin’ ilay tetikasa fampahafantarana mialoha ny tandindon-doza ho an’ny rehetra, izay tarihin’ny sekretera jeneralin’ny Fi­renena mikambana.
Manampy amin’ny fiomanana mialoha eny anivon’ny vahoaka eny ifotony ny Croix Rouge malagasy (CRM). Ma­nana mpilatsaka an-tsitrapo 10 300 izy ireo, amin’ny distrika 106. Rehefa tonga ny vaovao avy eny amin’ny BNGRC sy ny foibe famantarana ny toetry ny andro dia zaraina ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo. Samy iantefany izany ny eny anivon’ny distrika sy ny kaominina, ary mipaka eny amin’ny isam-pokontany.
Mitsidika eny anivon’ny tokantrano izy ireo manao fanentanana ho fiomanana rehefa ho avy ny loza sy ny voina. «Ho an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo, mbola vitsy ihany no manana fahaiza-manao teknika ka ilaina ny fampiofanana ho azy ireo», hoy ny sekretera jeneralin’ny CRM, Ratsimamanga Andoniaina.

Vonjy

Partager sur: