Hanatanteraka hetsika iarahana amin’ireo mpisehatra momba ny toetr’andro ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro. Manampy azy amin’izany ny mpiray miombon’antoka ho fankalazana ny andro maneran-tany ny 23 marsa ho avy izao. «Lohalaharana amin’ny hetsika mahakasika ny toetr’andro», ny lohahevitra nosafidiana. Hasongadina fa tsy misy hetsika momba ny toetr’andro azo atao raha tsy misy ny antontam-baovao momba ny toetry ny andro, toe-tany ary ny toetry ny rano. Aharitra hateloana ny hetsika hatao etsy amin’ny Parvis, Analakely.
Hisy fampirantiana, famelabelaran-kevitra, fanentanana momba ny fiovan’ny toetr’andro. Manginy fotsiny ny fifaninanana manao sary, fifaninanana tetikasa miompana amin’ny lohahevitra ho tanterahin’ireo mpianatra Météo ESPA Vontovorona.
Hatolotra amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny dikan-teny malagasin’ny boky Cope disasters. Tahirin-kevitra novokarin’ny OMM mahakasika ny rivodoza sy ny tondradrano natokana ho an’ny mpianatra. Misy koa ireo boky mirakitra ny tatitra fahenina mikasika ny fiovan’ny toetr’andro nataon’ny Groupe Inter-gouvernemental des Experts sur l’évolution du Climat (GIEC).
Vonjy