Distrikan’Atsimondrano : namatsy vola 418 805 Euros i Japon

Mitentina 418 805 Euros eo ho eo ny fanampiana ho fanohanana ara-bola ho an’ny taona fahatelo nisian’ny tetikasa “Fanampiana ho an’ny tetikasa madinika ho fitsinjovana ny maha olombelona”. Ny fitsinjovana ny fampanjarian-tsakafo ny ankizy no iompa­nan’ny fandaharanasa ao Atsimondrano.
Natao ny alatsinainy teo ny sonia fiaraha-miasa mikasika izany. Nanatanteraka izany i Abe Koji sy i Ebashi Hiroto avy ao amin’ny Association of Medical Doctors of Asia (AMDA), niaraka tamin-dRan­drianandrasana Alitiana avy ao amin’ny ORN Analamanga. Tanjona ny hanatsarana ny fampanjarian-tsakafo ny zaza latsaky ny 5 taona ao amin’ny distrikan’Atsimondrano.
Misy ankizy iray amin’ny roa tratry ny fahataran’ny fitomboana ao amin’ny dis­trikan’Atsimondrano. Natom­boka tamin’ny marsa 2022 ny tetikasa ary mikendry kaominina 10 ao amin’ny distrika.
Misy fiantraikany mivantana amin’ny olona manodidina ny 72 000 ny tetikasa ary tsy mivantana amin’ny olona manodidina ny 200 000.
“Ny zaza ampy sakafo dia ho olon-dehibe salama, afaka mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ara-toekarena”, hoy i Atoa Abe Koji, masoivohon’i Japon eto Ma­dagasikara.

Tatiana A

Partager sur: