Marihina isaky ny 21 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny trisomie 21. Nanomboka ny taona 2017 no nanamarika izany i Madagasikara, miaraka amin’ny fikambanana Syndrom down Madagascar.
Andiany fahafito no tanterahina nanomboka omaly, ary hitohy amin’ ny hetsika maromaro. Tsy aretina ny trisomie 21 fa toe-tena ary mety hiteraka zaza trisomique avokoa ny olona rehetra, araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny fikambanana, Razafinjatovo Laza Daniela. Olana eo amin’ny “chromosome” mitombo iray eo amin’ny faha-21 no miteraka ny toe-tena trisomique 21.
Ady maromaro no sahanin’ny fikambanana amin’ny fitakiana ny zon’ny ankizy sy ny olona manana fahasembanana satria manana zo hisitraka izany izy ireo. Zava-dehibe koa ny fanoroana hevitra sy fitarihan-dalana ny ray aman-dreny manan-janaka trisomika amin’ny fikarakarana dieny mbola kely ilay zaza. Eo koa ny fanentanana ny daholobe momba ny toe-tena trisomika. Andraikitra lehibe koa ny fampidirana ny zaza any an-dakilasy, toy ny kilonga tokony hianatra rehetra. Manana fahatarana ny zaza trisomika raha mitaha amin’ny ankizy mitovy taona aminy fa afaka mandray ny fampianarana rehetra izy. Manana taona ara-tsaina sy taona maha olombelona izy ireny. Misy ireo mianatra miaraka amin’ny ankizy mitovy taona aminy eny amin’ny EPP ary maharaka tsara, hoy ny fanazavana ihany. 150 ireo ankizy efa nandalo tao anatin’ny fikambanana nanomboka ny taona 2013 niorenany.
Mandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany, “hizara hafaliana”, hitondra fanampiana avy amin’ny tolo-tanana ho an’ireo ankizy trisomika tsy misy mpiahy eny anivon’ny fiarahamonina ny fikambanana. 28 ireo efa hita fa iharan’ny fanararaotana sy tsy manana mpiahy. Hitohy anatin’ny 15 andro ny hetsika.
Mangataka tolo-tanana amin’ny fanjakana sy ny malala-tanana ny fikambanana ahazoan’izy ireo manatrika
ny fivoriana iraisam-pirenena hatao any Australie, ny volana jolay ho avy izao, hitondra tenin’ ny olona trisomika malagasy.
Vonjy