Mandray olona hianatra asa momba ny fikarakarana zokiolona ny Fikambanana mikarakara zokiolona eto Madagasikara Fimibeama. Maimaimpoana ny tolotra ho an’ ireo liana sy mazoto. Entanina manokana ny zatovo sy ny tanora hahay handray andraikitra amin’ny sehatra sosialy sy fikarakarana ireo zokiolona mba hahaizany manaja ray aman-dreny.
Fanabeazana ihany koa izany fa tsara ny zatovo miofana aloha vao manao ilay fizarana asa. Afaka manofana maimaimpoana ihany koa izy ireo ka ny fikambanana no misahana azy. Ho an’ireo vonona hanaraka ny fizarana asa avy any amin’ny faritra, afaka mipetraka ao amin’ny Centre foibe izy ireo raha tsy manana fianakaviana hitobina.
Tsy manavaka fa mandray ireo olona avy amin’ny sampam-piofanana hafa ny foibe, na olon-tsotra na paramédical, vonona hanao ny fizarana asa fikarakarana zokiolona. Tsy handoavam-bola ny izany ao amin’ny Fimibeama fa manaraka ny toromarika omena ny mpianatra asa.
Iray volana ny faharetan’ny fizarana asa hahazoana traikefa maro kokoa. Tafiditra ao avokoa ny fikarakarana mandritra ny andro sy mandritra ny alina.
Vonjy