Tsy manary toky

 

Tsy voatery ho maizina foana ny fiainana eto Madaga­sikara. Raha midangana izaitsizy ny vidim-piainana, manjaka ny endri-pandikana lalàna, sehatra mahafinaritra sy mahavelombolo kosa ny tontolon’ny fanatanjahantena. Na tsy anisan’ny telo voalohany aza i Madagasikara, ohatra, any amin’ny Lalao Afrikanina, tsy mody maina toy ny taloha intsony ny Malagasy mpilalao. Mitondra medaly ho voandalana.
Eto an-toerana, nahafaly ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny fandresena azon’ny Barea de Madagascar, nanoloana ny ekipan’i Burundi, omaly. Mihetsika hatrany ny ham­bompo vao mihetsika ny ekipam-pirenena. Mainka moa misy vokatra tsara azo tahaka izao! Iza no tsy velombolo sy mahazo tsirony? Miseho ny tsirim-panantenana, tsy takon’ny hakivian’ny andavanandrom-piainana. Miakatra ny moraly, satria mbola misy ny onja miabo azo andrandraina.
Mety ho bitika izany manoloana ny zava-misy iainan-dRamalagasy, ankehitriny. Kanefa ny erikerika mahatondra-drano. Iaraha-mahita ny tontolo politika sy toekarena izay tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka. Voafehy sy giazan’olom-bitsy, tsy te hahalala afa-tsy ny tenany sy ny ankohonany. Mbola anjakan’ny kiantranoantrano sy ny fitiavam-bola ka mampikaikaika ny maro anisa.
Lalao iray tena andrasan’ny maro ny fifaninanan’ireo ho kandidà solombavambahoaka ny 29 mey ho avy izao. Jereo ny zava-misy! Na ny mpiara-mitolona sy mpiray antoko aza efa mifanipaka an-toerana toa valala an-karona. Nanaitra ny nahita ireo mpanohana ny fitondrana eny amin’ny Facebook niray feo. Manebaka ny mpiray antoko amin’ny mety ho fisian’ny resabola (?), mandritra ny fifantenana ny kandidà tokana.
Na inona na inona miseho anefa, mba tsy hivaona ivelan’ny tena fikatsahana ilay fampandrosoana ny zava-drehetra. Mba kandidà hivimbina fanantenana ho an’ny vahoaka hahatonga azy tsy hanary toky.

r.r

Partager sur: