« Ekena ny zo hanao fitokonana nefa izany tsy tokony hanohintohina ny fampandehanana ny asam-bahoaka sy ny tombontsoa fototry ny firenena ary ny fepetra hafa ampiasaina io zo io, sady feran’ny lalàna », hoy ny fanambaran’ny mpikambana amin’ny biraon’ny Seces, sampana Antananarivo, omaly. Manohana ny fitakian’ny « normaliens » ny zo sy hasin’izy ireo ny mpampianatra mpikaroka fa manoso-kevitra kosa amin’ny hanajana ny fanehoana ny tokony hijanonana ao anatin’ny faritry ny ENS Ampefiloha. Tsy hihoatra aty ivelany ka nitarika fanelingelenana tamin’ny fifamoivoizan’ny fiara sy ny olona izany. « Rehefa nanao fitakiana ny mpampianatra mpikaroka ka nanidy ny vavahady fidirana tao anatin’ny oniversiten’Antananarivo, betsaka ireo nanome tsiny nefa mbola nijanona tao amin’ny faritra ny hetsika ary tao anatin’ny fanajana ny fenitra samihafa », hoy ny biraon’ ny Seces sampana Antananarivo.
Mahatsapa kosa ireo mpampianatra fa tsy nety ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny oniversite nanakatona ny ENS. Mampitandrina ny tomponandraikitry ny oniversite izy ireo satria manitsakitsaka tanteraka ny foto-pisainana sy drafitra maneran-tany maha anjerimanontolo ny oniversite. Mandrisika ny « normaliens » hanao fitakiana ivelan’ny faritra tsy azo anaovana izany ny fanakatonana ny ivontoeram-pampianarana nefa izay no tena sorohina.
Vonjy A.