“Ora iray ho an’ny tany”: entanina amin’ny kilalao ny tanora

Rahampitso no hifarana ny hetsika “Ora iray ho an’ny tany” karakarain’ny WWF, Namako ny Tany, skoto ary Green N Kool. Manohana ny sahanasa hifampizarana, mandritra izany, ny Unicef. Tanjona ny hanohanana ny tanora misehatra amin’ny fanentanana hiarovana ny zavaboahary. Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny tanora satria 1 801 amin’ny tanora 9 523 ihany no nilaza fa nahazo fanentanana manodidina ny fiovan’ ny toetr’andro, araka ny fanadihadiana U-report, ny taona 2023. Iankinan’ny sehatra maro amin’ny fiainana andavanandro anefa ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany.
Kilalao, fanentanana samihafa, fifanakalozan-kevitra, dihy, fanamboarana savony ekolojika… no nanamarihana ny hetsika teny amin’ny Esca Antanimena, ny faran’ny herinandro teo. Nahasarika olona, indrindra ny ankizy sy tanora, ny kilalao sy ny fanentanana natao. Nizarana loka ireo mendrika tamin’ny fifaninanana sary sy kilalao maro.
Ankoatra izay, nisy fanentanana koa hanaovana zavatra tiana nefa mitondra vokatsoa ho an’ny tany mandritra ny ora iray: mikarakara zaridaina, manadio ny tanàna manodidina azy…

Vonjy

Partager sur: