Fiovan’ny toetr’andro: nampidirina anaty fandaharam-pianarana

Nampiditra ny fiovan’ny toetr’andro tao amin’ny fandaharam-pianarana ny fandahanarasa “PAGE 1”, ny taona 2016, ho an’ny kilasy T1-T9. Natomboka tamin’ny sekoly 250 ny andrana manerana ny Nosy ary nojerena ny zavatra ilain’ny mpampianatra hampitana ny lesona sy hanamorana ny asany. Nojerena manokana ny fomba fiasa momba ny fandrosoana lovain-jafy ary nampidirina ao amin’ny fandaharam-pianarana. Ny “Appro­che axée sur les valeurs” na soatoavina no ampiasaina, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny GIZ, Randrianarivelo Rolland Maminiaina.
Nisy boky novolavolaina manokana hanampiana ny mpampianatra any an-dakilasy. Boky feno enti-mampianatra io. Efa vonona amin’izao fotoana izao ireo boky ireo ho an’ny kilasy T1-T4-T7 ho an’ny taranja rehetra. Ny “Approche par les valeurs” ampiasaina no mahatonga azy hiresaka ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fanabeazana momba ny tontolo iainana ary ny fampandrosoana maharitra. Any amin’ny faritra Boeny sy Diana no efa naparitaka ny boky ho an’ny mpampianatra. EPP valo sy sekoly tsy miankina valo ary CEG efatra miankina amin’ny fanjakana sy sekoly miahy tena efatra ihany no nanaovana ny andrana, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fana­be­azam-pirenena no namolavola ny boky niaraka tamin’ny sampandraharaha misahana ny sekoly tsy miankina. Nanohana ara-bola sy teknika ny GIZ.

Vonjy

Partager sur: