Fetin’ny Paka : ahina ny fiforonana rivodoza

Mampanahy ny mety ho fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny faramparan’ny herinandro, hankalazana ny fetin’ny Paka, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro.
Hiverin-dalana hizotra hianatsimo atsinanana ilay tangoron-drahona mitoetra ao an-dranomasina manomboka ny alarobia na ny alakamisy ka hiha tomombana kokoa ny tontolo hivoarany. Hitombo, araka izany, ny herijika hahalasa rivodoza azy amin’izay fotoana izay. Misongadina ny fisian’ny rivotra maina kokoa izay mandrakotra ny ilany andrefan’ity tangoron-drahona ity ka manelingelina ny fivoarany hatramin’ny omaly.
Nanamafy ny Meteo fa savaranonando ihany izany vinan’ny lalany izany satria mbola tsy miforona ilay andro ratsy ka mahasarotra kokoa ny fanaovana tombana.
Heverina hikorontana ny toetry ny andro any amin’ny tapany avaratra sy afovoany atsinanan’ny Nosy manomboka rahampitso. Ahina ho betsaka ny rotsakorana (mihoatra ny 80 mm/24 ora) any Diana, Sava ary Analanjirofo. Hahery ny ranomasina eo anelanelan’Antsiranana sy Vatomandry. Manara-maso akaiky ny fivoaran’ny androratsy ny foibe famantarana ny toetry ny andro.

Tatiana A

Partager sur: