Faritra Vakinankaratra : nojerena manokana ny marefo

Nifantoka tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny famangiana sy ny asa sosialy nataon’ny minisiteran’ny Mponina, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra tolo-tanana ho an’ny zokiolona, ny olona manana fahasembanana, fikambanam-behivavy, olona tena marefo ara-pivelomana, ary ny ankizy kamboty ny iraka notarihin’ny minisitra. Milina fanjairana no natolotra ho an’ny Centre de promotion socio-économique (CPSE), mampiofana ireo tanora amin’ny seha-pihariana isan-karazany.
Nitsidika ny fikambanam-behivavy AFFD koa ny minisitra Fomendraza Haingo Elisette. Ivontoerana mandray an-tanana ireo vehivavy niharan’ny herisetra sy ny fanolanana.
Miofana mahakasika ny asa tanana izy ireo ahafahany miarina sy mizaka tena eo amin’ny seha-pihariana. Noto­lorana fitaovana toy ny kidoro, lamba firakotra, milina fanjairana, siny ary zinga izy ireo.
Nandalo tao amin’ny ivontoerana Mozika manova fiainana izay miahy sy manabe ireo ankizy tsy misy mpiahy ny minisitra taorian’izay. Ampiana amin’ny lafiny maha olona ny ankizy ankoatra ny fivelarana ara-mozika.
Tsy diso anjara tamin’ny famangiana natao ny ivontoerana Terreaux de l’espoir, ao amin’ny fokontany Tsara­firaisana. Mitaiza sy manabe ireo ankizy kamboty sy tsy misy mpiahy ihany koa izy ity.

Tatiana A

Partager sur: