Manomboka anio ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’izay maniry ho solombavambahoaka. Midika izany fa roso tsa mipody koa ny fanoloana ireo eny Tsimbazaza. Hatreto, milamina ny zava-drehetra, na efa misy aza ny ady saritaka any anaty antoko sy fikambanana isan-karazany any.
« Tsy manakana ny omby tsy ho any Sabotsy » na hibahana ireo te ho kandidà tsy hiditra lalindalina kokoa izany. Mainka aza mandrehitra ny hambompon’ny sasany, indrindra fa ireo voailika amin’ny ora farany. Tsy ny mpanohana fitondrana ihany, fa hatrany amin’ny mpanohitra izao dia misy ny fitsipahan-doha ny laka-nitana. Hany ka samy miedinedina ho tompon’ny hery, ka any anaty latsa-bato no mifandrefy sy mamaly faty ankolaka.
Betsaka amin’ny kandidà rahateo no efa tsy matoky tena noho izy ireny tsy mamim-bahoaka intsony. Hany ka mifanipy hoditr’akondro mba hitsivalanana ny lalany, hampianjera mialoha ny kiririoka hanombohan’ny lalao. Ilay heverina ho famoretana ireny anefa matetika no mivadika ho hery sy maha mamim-bahoaka ilay mpifanandrina. Aza hadinoina! Olon’ny fo Ramalagasy vao olon’ ny saina sy fanahy.
Tsy maintsy resahina izany satria antoky ny ho filaminana sy fitoniana mialoha, sy mandritra, ary aorian’ny fifidianana. Izay mahazo ny maro anisa rahateo no ho tompon’ny lakile amin’ny fahefana mpanatanteraka. Manana zo feno amin’ny fanendrena praiminisitra. Marina fa mifampizara fahefana amin’ny filohan’ny Repoblika ny lehiben’ny governemanta saingy raha tahiny ka tsy mitovy tadindokanga dia mety hanao ahoana?
Izay indrindra no tokony hahatonga saina ireto zatra ny mizahozaho ireto mba tsy hanolo-bato mafana ny
filohan’ny Repoblika amin’ny fanamparam-pahefana. Mila lalao madio anaty fitsipika madio ny fifidianana ho avy eo, mba ho antoka amin’ny famakan’ny fitondrana « Rajoelina ».
r.r