Rivodoza Gamane: hipaka ao Sava, anio

Nahazo anarana Gamane, omaly, rehefa nahafeno fepetra ilay androratsy ao avaratra atsinanan’ny Nosy. Efa « forte tempête tropicale » ny sokajin’io rivodoza io, omaly, araka ny fanazavan’ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby.
Mikisaka miadana mianavaratra andrefana izy ka mahafaka 5km isan’ora. Manangona hery any an-dranomasina hatrany ity rivodoza ity mandritra izany.
Raha ny fironana dia ahina hivoatra akaiky ary hipaka amin’ny morontsirak’i Sava izy, anio na rahalina, amin’ny tanjaka « cyclone tropical », hoy hatrany ny Meteo. Hahatratra 150km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy.
Mihatra avy hatrany ny filazana fampitandremana, miloko mavo, ho an’ny faritra Diana manontolo sy Sava ary Analanjirofo. Tsy tokony hiandriaka intsony ireo mpampasa ranomasina manomboka eo Antsiranana hatrany Mahanoro.
Mila mitandrina fatratra koa ireo mpiandriaka eo anelanelan’Analalava sy Antsiranana amin’ny fikorontanan’ny toetry ny andro.

Tatiana A

Partager sur: