Hanamarika ny andron’ny 29 marsa isika eto Madagasikara rahampitso. Andro manan-tantara tokoa mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny tontolo iainan-dRamalagasy, ankehitriny. Tolona izay voalaza fa nanafahana teo ambany vahoan’ny mpanjanaka. Tolona namoizana ain’olona amana hetsiny. Tolona manamarika ny fitiavan-tanindrazana « tena izy ».
77 taona aty aoriana, manao ahoana ny zava-misy ? Tena migoaka izany fahafahana izany tokoa ve ny Malagasy eto an-tanindrazany ? Toa resabe fotsiny sisa ny fahatsiarovana. Mbola voazioga amin’ny endriny hafa tanteraka ny mponina manerana ny Nosy. Giazan’olom-bitsy ny soa sy ny tombony tokony ho tovozina eto amin’ny firenena.
Mitsipozipozy sy mitrongy vao homana ny sarababem-bahoaka. Lalaovin’ny mpahay mikirakira ny toekarena ho amin’ny tombontsoany. Mirona any amin’ny fahantrana mangitsokitsoka ny ankamaroan’ny olona. Nofinofy tsy ho tanteraka mandrakizay ny fivoahana amin’ny gadran-drafahantrana. Miha goavana ny hantsana manasaraka ny samy Malagasy.
Anisan’ny fositra, mampivarina an-kady ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy ny lalao maloton’ny mpanao politika sasany. Mialokaloka amin’ny izato sarintsarina fitiavan-tanindrazana, hanakonana ny fitiavan-tena. Maro ny fandoto iray tandroka sy volo mpanoa randrana tafiditra any anaty rafitra. Raha tokony hampandroso, mainka misintona mamarina an-kady.
Ry mpamosavy malemy, mamorika ny samy Malagasy no mizahozaho sy milaza ho antoky ny fampandrosoana. Ny tena miasa sy ny mandeha mahitsy no kianina sy ahilika. Atao izay fomba rehetra hampikatsoana ilay lamasina mba hanaraka ny zotra mahitsy. Tsy mahagaga, raha mivaralila sy kofonkofona an-dalàna izany ilay izy. Takon’ny setrok’ilay fikantsoana finiavana sy tena fitiavan-tanindrazana. Ravindravina antentina no sisa tazana !
r.r