Maresaka sy imasoan’ny fitondrana Fanavaozana amin’izao ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. Raha ny fijerin’ny mpandinika sasany, vitan’ny fampiakaram-peo sy ny fitenenana matetika ve ny raharaha? Mila vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana, fa tena vava ady tokoa no atrehina fa tsy ady vava no atao: fampiharan-dalàna amin’ny fanasaziana sy famaizana faran’izay henjana. Indrindra ho an’ny trondro vaventy… Ho ohatra ho an’ny hafa. Tsy aiza ny takatra mihinana ny valala na ny vano mitsaingoka ny sahona fa ao ihany. Ny rafitra sy ny fombafomba amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana no manamora sy manome vahana ho azy ny fanaovana kolikoly? Na amin’ny tsenambaro-panjakana io, ohatra, na amin’ny fandraisana mpiasam-panjakana, na…
Marolafy mila hahahenika ny sehatra sy ambaratonga rehetra ny kolikoly? Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina. Ny rehetra no mila miatrika ady hatrany ifotony. Tsy vitan’ny fimenomenonana sy fiforetana fa mitaky fahasahiana amin’ny fitorohana sy fijoroana vavombelona. Mba mahalala izay tokony halehany sy hataony ve, ohatra, ny olom-pirenena amina trangan-kolikoly? Miara-dalana amin’izany ny fiarovana azy, ny fitanana tsiambaratelo… Tsy vitan’ny ady vava na resaka fa mitaky firotsahana. Tsy mandeha ila ny kolikoly fa misy mpandray sy mpanome. Samy tomponandraikitra ny rehetra; eny, na izay mahita sy mandre fotsiny aza.
Vokatra haingana sy mivaingana no andrasana amin’izao. Tsy efa fantatry ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga ve, ohatra, ny fomba mety isian’izany amin’izay iasany? Matoa tsy misy tratra nefa mahabe resaka ety ivelany, mbola misy ny tahotra, tsikombakomba, maso minia mikimpy velona… ? Vava ady no atrehina, fa tsy ady vava.
R. Nd.





