Mbola hitohy ny orana anio, any amin’ny tendrony avaratra sy morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy. Varatraza no mandrafitra ny toetry ny andro, indrindra rahampitso sy ny alatsinain’ny paka, any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy sy ny afovoantany.
Mavesatra ny takaitra navelan’ilay rivodoza Gamane sy ny orambe nikija.18 ny olona maty vokatry ny rotsakorana be niseho ny 23 marsa lasa teo sy ny rivodoza Gamane hatramin’ny omaly hariva, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC. Iray tany Mananara Avaratra, fito tany Maroantsetra, iray tany Toamasina II, iray tany Vavatenina, iray tany Ambilobe, iray tany Antsiranana II, iray tany Antalaha, roa tany Sambava ary telo tany Vohemar. Efatra ny olona tsy hita ary telo no naratra, iray any Antalaha ary roa ao Vohemar.
71 150 ny olona traboina, avy amin’ny tokantrano 17 571. Mahatratra 22 496 no nafindra toerana (tokantrano 5 799) eny amin’ny toeram-pandraisana iraisana 77. Misy 14 770 ny trano dibo-drano, 646 no rava, valo ny efitrano fianarana tsy misy tafo intsony, raha 26 nahitana fahasimbana. 1 698 ha ny tanimbary safotry ny ranobe, 665 ha kosa tototry ny fasika.
Ho an’ny vokatry ny rivodoza Gamane manokana: efatra ny faritra voakasikany: Analanjirofo, Diana, Atsinanana ary Sava. Efatra ny olona tsy hita tany Toamasina II, Antsiranana II, Antalaha Ary Sambava. 69 728 ny traboina (tokantrano17 175), mahatratra 21 074 ny nafindra toerana (5 403 tokantrano) ary 20 812 ireo mipetraka any amin’ny toeram-pandraisana 67 ary 3 687 hafa niantrano any amin’ny fianakaviany. 14 376 ny trano dibo-drano, 646 no rava. 1 698 ha ny tanimbary feno rano ary 665 ha tototry ny fasika.
Faritra telo no nahitana fahavoazana vokatry ny orambe nirotsaka ny 23 marsa lasa teo : Anosy, Atsimo Atsinanana ary Atsinanana.1 422 ny traboina (tokantrano 394), ary 1 422 no nafindra toerana amin’ny toerana iraisana 10. Misy trano 394 difotry ny rano.
Vonjy