Nosy Be : voasambotra ilay nanindrona antsy mpisolovava

Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy iray namono nahafaty ny mpisolovava iray tao amin’ny Bazary Kely Andavakotoko, kaominina Nosy Be, ny 30 marsa teo. Hamonjy tsena io mpisolovava fantatra amin’ny anarana Rasamoelina Andry io. Miasa ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao an-toerana izy. Tsy nanampo na inona na inona, notsindromin’ny lehilahy iray antsy izy ka nidaraboka tamin’ny tany.

Niantso mpitondra filaminana avy ha­trany ny nanatri-maso. Nen­tina namonjy toeram-pitsaboana kosa ilay naratra saingy tsy tana ny ainy.
No­samborin’ny polisy ny nahavanon-doza.
Niharan’ny fitsarambahoaka…
Nahita ny zava-nitranga, samy nidaroka ary nikasi-tanana io lehilahy namono olona io ny ankamaroan’ny olona nanatri-maso. Tezitra noho ny fihetsika nataon’io lehilahy io tamin’ilay mpisolovava ny fokonolona. Tonga ara-potoana rahateo ny polisim-pirenena ka voafehy tao anatin’ny minitra vitsy ny raharaha. Araka ny loharanom-baovao, manana olana ara-tsaina ilay lehilahy namono mpisolovava io, raha ny loharanom-baovao. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: