Mpamboly miisa 137 ao Moramanga no nahazo tohana avy amin’ny orinasa Ambatovy. Avy amin’ny fikambanan’ny tantsaha am-polony izy ireo, nahazo sakamalaho 9 000 fototra sy solofon’akondro miisa 5 000 ary zezika. Tantsaha avy any amin’ny distrika Moramanga, izay tena mamokatra sakamalaho izy ireo, indrindra any Andasibe, Ambatovola ary Beforona.
Nomena fiofanana, ny 26 sy 27 marsa teo, ireo polisin’ala sy polisin-driaka, avy any amin’ny fokontany 7 voakasiky ny tambajotra LMMA, any amin’ ny faritra Atsimo Andrefana. Noresahina ny fitondrantena sy ny fepetra raisina manoloana ny tranga tsy fanarahan-dalàna. Eo koa ny zon’olombelona araka ny lalàna. Nanohana ny hetsika ny fikambanana WWF.
Natao jery todika ny tetikasa “Alefa” any amin’ny faritra Itasy. Anisan’ny noresahina ny hampiroboroboana ny fiompiana an-tanimbary, ny fampiasana ny voly rakotra entina hanamasahana ny tany. Teo koa ny hamerenana amin’ny laoniny ny voly tapia mampiavaka an’Itasy ary ny fiarovana ny sahandriaka.