Tetikasa « Gracir »: fiatrehana ny ambana amin’ny fambolena

Anisan’ny mizaka ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Hisy ny tetikasa hovolavolaina hitantanana ny ambana ara-pambolena mba hisin’ny fampandrosoana sy fahafahana miatrika azy eto amintsika (Gracir). Haroso any amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (Badea) ny tetikasa, hikarohana famatsiam-bola.

Haharitra 8 taona ny hanatanterahina ny tetikasa, ahitana paikady ara-teknika telo. Eo ny fanamafisana ny famokarana masomboly sy ny fahafahana mamokatra amin’ny ankapobeny. Hamafisina ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fambolena. Ary hapetraka ny tontolo manome vahana ny fitantanana mahomby ny ambana sy ny fanohanana ny sehatry ny fambolena. Anisan’ny asa hatao ny hananganana ny tahiry masomboly sy ny kojakojam- pamokarana. Izany hoe, hanana tahiry mialoha entina miatrika raha sendra misy ny ambana na ny loza mihatra amin’ny fambolena.

100 tapitrisa dolara

Manodidina ny 70 hatramin’ny 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola mety ho azo hamatsiana ny tetikasa « Gracir”. Tokantrano miisa 300 000 no vinavinaina hisitraka azy, any amin’ny tapany atsimo eto amin’ny Nosy, atsimo atsinanana ary Amoron’i Mania.

Njaka A.

Partager sur: