Diana: hisokatra amin’ny 8 avrily ny jono horita

Natao tany Antsiranana, ny 27 marsa teo, ny fivoriana fanomanana ny fisokafan’ny jono horita any amin’ny ilany atsinanana, ao amin’ny faritra Diana sy Sava. Nanatrika tao ny komity misehatra amin’ny seha-pihariana horita any amin’ny ilany atsinanan’Antsira­nana sy ny solontena any amin’ny faritra Sava.
Tapaka nandritra ny fihaonana fa hisokatra amin’ny 8 avrily 2024 ny fotoam-panjonoana horita. Any Ambolobo­zo­kely ny toerana hisantarana azy ka ferana ho 8 000 Ar ny vidiny handraisan’ny mpanangom-bokatra azy any amin’ny mpanjono. Taorian’ny fifandresen-dahatra teo amin’ny orinasa mpanondrana any ivelany sy ny mpanjono io vidiny io. Tanjona ny mba samy hahazoan’ny andaniny sy ny ankilany tombony sady hampaharitra ny fiharian’ny mpanjono.
Nandray anjara tamin’ity fotoana ity ny Fitantanam-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Diana, ny foibem-paritry ny fanaraha-maso ny jono (CSP), ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd), ny mpitandro filaminana. Teo koa ny orinasa mpanondrana any ivelany, ny mpandraharaha mpanangom-bokatra, ny mpijirika ary ny mpanjono.
Nikarakara ity fivoriana ity ny Conservation internationale miasa any amin’ny tandavan- dranomasina « corridor 7 baies ».

Njaka A.

Partager sur: